Fiaramanidina kely nianjera

Lasa lavenona, 1 maty ary 4 avotra


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Fiaramanidina kely iray 5R-MKB an’ny kaompania Sky Service nampiasain’ny orinasa Aqualma no nianjera tao

Besakoa Mahajanga II omaly 24 aogositra 2023 omaly tolakandro tamin’ny 3ora sy 15 minitra teo. Niainga tao Besakoa Mahajanga II izy ity, saika hiazo an'i Moramba, toeram-pizahan-tany amin'ny tapany avaratr'i Mahajanga, izay mbola tsy fantatra mazava ny antony. Nianjera ilay fiaramanidina io izay marihina fa nitondra olona 5, ka nirehitra avy hatrany. Avotra ny olona miisa 4, fa ny mpanamory mpanampy antsoina hoe Razafimaharavo Alain Andrianandraina no namoy ny ainy tavela may niaraka tamin’ilay fiaramanidina. Andrasana ny mety ho akony satria isan’ireo avotra soa aman-tsara ny mpanamory izay Ramiarijaona Gaël no anarany, raha ny vaovao niparitaka omaly. Tamin’ity taona ity izany, dia nahatratra 3 teo ny lozam-piaramanidina satria ny volana janoary dia nisy iray izay namoizana olona iray tany amin’ny faritra Alaotra-Mangoro , nisy iray hafa tany Toliara izy izay taorian’io, ary ity omaly ity indray izay namoizana ain’olona.
Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT