Fifamoivoizana

Fiarakaretsaka tsy ara-dalàna Tsy maintsy hovaina tsy ho “Beige crème”


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny fandaminana sy fanaraha-maso ireo fiarakaretsaka tsy ara-dalàna.

 Efa tafiditra  amin’ny andiany faha 2 ny eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana. Fiarakaretsaka miisa  11 indray  no tratran’ireo polisy monisipaly sy  polisy nasionaly  tsy nanara-dalàna, izay efa nampidirina “Fouriérè” etsy Anosipatrana fa tsy eny  Antsakaviro intsony. Misy ny sazy izay omena azy ireo toy ny “fouriérè” 10 andro sy ny onitra tsy maintsy aloa. Afaka 48 ora aorian’izay dia tsy maintsy mandoko ny fiarany tsy ho “beige crème” intsony. Marihana fa tsy ny fiarakaretsaka tsy ara-dalàna ihany akory no savaina fa ireo lany “visite technique” sy “assurance” ihany koa. Nambaran’ny Talen’ny fitanterana sy ny fivezivezena an-tanandehibe   Landy Raveloson,   fa   efa misy ezaka koa ny fandaminana sy ny fandrindrana ireo fiantsonan’ny taksibe, izay be mpampiasa indrindra eto Antananarivo    toy ny etsy Behoririka, Ankadivato … Amin’ny herinandro ambony no hotanterahana   ny eny Anosy hatrany  amin’ny 67 ha.  Misy ihany koa ireo  toeram-piantsonana novain’ny kaominina, izay hita fa mampitarazoka ny fifamoivoizana  toy  ny tetsy Ankadimbahoka izay nafindra ho eo ampitan’ny Leader Price. Toy izany ihany koa ny fihantsonana maromaro  eny Ankorondrano. Manomboka eo amin’ny Jesosy Mamonjy ka hatreny Anosivavaka dia antsoina hoe “Voie Rapide”, izany hoe misy fenitra sy fepetra ny  fametrahana fiantsonana,  izay tsy tokony hifanety ka tsy maintsy hajaina  ny. Marihana fa “Double Voie” iny  Ankorondrano rehetra iny kanefa anisan’ny mampitohana ny fifamoivoizana eny amin’ny  “rond poind” eo amin’ny SODIAM ny fisian’ireo fiara mbola mijanona  afaka ny fiantsonana manolona ny COLORIS hatreny amin’ny Pharmacie principale  izay efa nametrahan’ny kaominina ny antsoina hoe “Panneau de Rappel”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT