Fiarakaretsaka na Taxi eto Antananarivo

Mahatsiaro ho hiharan’ny fifaninànana tsy ara-drariny


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Ankoatran’ny nampidiràn’ny kaominin’Antananarivo

renivohitra an’ilay fiarakaretsaka na taxi mandeha amin’ny herinaratra antsoina hoe Pikla dia isan’ny lasa mifaninana amin’ny fiarakaretsaka nahazatra hatramin’izay koa amin’izao fotoana izao ireo kodiarandroa na taxi-moto. Mitaraina ireo mpamily taxi mahazatra manoloana izany satria vao mitondra entana mavesabesatra izahay, hoy ny mpamily iray, dia efa sakanan’ireo mpitandro filaminana nefa ireny taxi-moto ireny tsy mba voasakana izany mihitsy. Ny hetra alohanay koa, hoy izy, tena midangana nefa tsy hino izao ianareo raha ilazàko hoe hatramin’ny maraina ka hatramin’izao aho mbola tsy nisy olona nentiko na ny iray aza. Tokony hampitoviana ny fakàna hetra amin’ireo mpisehatra rehetra, hoy kosa ny mpamily hafa, fa tsy tokony asiana zanak’Ikalahafa. Mahatsiaro ho hiharan’ny fifaninànana tsy ara-drariny, araka izany, ny ankamaroan’ireo mpamily fiarakaretsaka mahazatra, raha ny angom-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT