Fifamoivoizana

Fiarabe nivarina tanaty hantsana Olona 4 namoy ny ainy


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Nandriaka ny ra tany amin’ny lalam-pirenena faha-42 noho ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina.

 

Olona 4 mantsy no indray namoy ny ainy noho ny fivadihan’ny fiarabe iray tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangidy, ao amin’ny distrikan’i Ikalamavony omaly. Iray hafa naratra mafy, ary ny mpamily kosa nifampisokirana tao ambanin’ilay fiara. Raha ny fampitam-baovao vonjimaika, teratany Gineanina ny iray tamin’ireo namoy ny ainy. Niampita tetezan-kazo io fiarabe io izay feno vary niampy olona teo ambonin’ireo izany hoe navesatra. Mety somary nahazo sisiny, raha ny fahitana ny fampitana an-tsary avy any an-toerana, hany ka tapaka avokoa ireo hazo tamin’ny ilan’ny tetezana ka nampitongilana ilay fiara sy nampivadika azy tany anaty hantsana. Nivadika ambony ambany ny fiara, ka voatsindry no tena antony nahafaty ireo olona, ankoatra ny naratra. Efa somary drodroka sy nila fanamboarana ihany ilay tetezana, raha ny fampitam-baovao. Toa niafiana teo ihany anefa, ary izao nitera-doza izao. Ny fiara rahateo somary mavesatra ny entana, ary tsy voahaja ny lanja entiny, saingy ny toerana ambanivohitra dia ireny no mahatanty sy tody any ambany ravin-kazo. Omaly ihany dia nakarina tao amin’ny hopitaly Ikamalavony ireo maty.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT