FIARABE NIVADIKA

3 lahy indray maty tao Tsiroanomandidy


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Hamoizana ain’olona sy hahasimban-javatra matetika ny lalana any amin’ireo kaominina

ambanivohitra mandrafitra ny distrikan’i Tsiroanomandidy vokatry ny haratsiany sy ny fanafihan-dahalo. Fiara vaventy iray no fantatra fa tra-doza tao Ampasika, Fokontany Ambatofotsy, kaomiina Mahatazana ny Alakamisy lasa teo. Lehilahy miisa 03 no voalaza fa namoy ny ainy ka anisan’ireo ny mpanampy ilay mpamily sy ireo mpibata entana miisa 2. Avy nividy vokatra izy ireo ka nikasa hody tany Imerintsiatosika raha ny loharanom-baovao azo. Rehefa tonga teo amin'ny vavaranokely, teo amin'ny 2 kilaometatra miala an'Ampasika anefa dia, nivadika ambony ambany ny fiara, raha vary akotry 7 taonina kosa no tao anatiny. Vao 20 taona monja, 26 ary 35 taona monja moa izy telolahy namoy ny ainy ireo ary efa nalevina tamin’ny faran’ny herinandro teo avokoa. Tsy naninona kosa ilay mpamily saingy tratry ny tebitebin-tsaina sy alahelo noho ny olana nosedrainy sy ireo namany maty. Nangonin’i Pati
Legende : Nivadika ambony ambany tahaka izao ilay fiara vaventy !
SARY INDRANA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT