Fifamoivoizana

Fiarabe nanimba ny tetezan’i Vohiposa Nihoatra 11 taonina ny entana nentiny


  • Talata 19 Septambra 2017

55 taonina, izany hoe nihoatra 11 taonina tamin’ny eken’ny lalàna no lanjan’ilay fiarabe nanimba ny tetezan’i Vohiposa (RN7).

Misokatra ny fanadihadiana  ary karohana ny tompony amin’izao. Am-pametrahana ny lala-mivily (deviation) hahafahana mamerina ny fifamoivoizana nanomboka omaly ny minisiteran’ny asa vaventy ary  hipetraka afaka herinandro ny pont Bailey. Tsy maintsy apetraka ihany koa ny toeram-pandanjana ny fiarabe amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, hoy ny minisitry ny fitaterana Beboarimisa Ralava omaly. Dia mbola voaporofo indray teto fa kitoatoa sy anjakan’ny kolikoly ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana amin’ireo lalam-pirenena eto amintsika satria dia maro ireo fiarabe mitondra entana sy fiara mpitatitra olona mandika lalàna tsotra izao ka rehefa misy loza mitranga foana vao taitra ny rehetra. Eo ihany ny fanaraha-maso fa manana andraikitra goavana amin’ny resaka tahaka izao ihany koa ireo kaoperativa sy fikambanan’ny mpitatitra, izay efa tokony hanana rafitra manara-maso ny fiara rehetra miasa ao aminy aloha fa tsy faly mitaky latsakemboka fotsiny. Tompon’andraikitra feno tamin’ny zava-nitranga ka nahasimba ny tetezan’i Vohiposa izay fananam-bahoaka ny mpamily sy ny tompon’ity fiarabe nandika lalàna ity koa andrasana ny fampiharana ny lalàna.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT