Fifamoivoizana

Fiarabe nahafaty olona Nitsoaka saingy nivadika


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Olona 3 mianaka nitaingina bisikileta no nofaohan’ny fiarabe an’olon-tsotra mpitatitra hazo tao Befotsy Moramanga omaly antoandro, ka maty teo no ho eo ny ramatoa iray, fa ny vadiny sy ny zanany kosa naratra mafy, ka nalefa haingana any amin’ny hopitaly.

 Nandeha mafy nitsoaka ilay fiarabe kanjo tafala lalana ka nifatratra tany an-dohasaha ka dia tavela teo, tsy afa-nihetsika intsony satria nivadika ambony ambany. Nandositra kosa ny mpamily sy ny mpiaraka aminy, raha ny vaovao azo. Heloka roa izany no azo hanenjehana azy ireo, dia ny raharaha fahafatesan’olona, ary ny faharoa, dia ny fitsoahana rehefa avy namoa-doza ka nitsoaka andraikitra. Ny fitsaram-bahoaka ihany koa anefa tetsy an-daniny mety vao mainka ho loza hafa, ka mety nanavotra ny ainy sy nitonon-tena tany amin’ny manam-pahefana ihany izy ireo. Andrasana ny tohin’ny raharaha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT