Tsy hamaha ny olana eto Antananarivo, raha fifamoivoizana no resahina,
hoy ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo sady manam-pahaizana momba ny asa vaventy, Lahatra Andriamahatsangy, ny zava-misy eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny lalana, hoy izy, efa miha tery. Marobe no efa simba. Ny fiara nefa mitombo isan’andro. Tanàn-dehibe, renivohitra tahaka antsika izao, tokony efa nisy Fly Over na lala-mifanaingina maromaro. Tokony efa nisy «Rocade» manodidina an’Antananarivo ho an’ireo izay avy any amin’ny faritra. Tsy voatery hiditra anatin’Antananarivo renivohitra intsony amin’izay fa avy dia any ivelany daholo no mandeha. Ny fiarabe elektrika na «bus électrique» izao maherin’ny 300 isa. Efa hitantsika ny ampahany fa raha ireny izany izao no miditra eto Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao dia fitohanan’ny fifamoivoizana tsy hifankahitàna eto. Ny habe sy halavan’ilay fiarabe, ny lalana andehanany dia tsy hitombina mihitsy hoe ho tafiditra eto an-drenivohitra ireny. Na atao hoe 10, 20, 30 amin’ireny fotsiny aza no ampidirina eto dia efa izany no hitranga. Mila lalana hafa toy ny any amin’ny «rocade» lala-malalaka tahaka an’i By Pass ireny no tsara andehanan’ireny. Tsy mahavaha ny olan’Antananarivo renivohitra koa ny teleferika amin’ny resaka tohamboivoy na «embouteillage». Anosy mihazo an’Ambatobe izany tsy andehanan’olona maro. ¼ raha betsaka. Na ireo aza izany no anaovana ilay teleferika dia tsy voavaha ny olan’ny ¾. Efa fantatra koa fa tsy ny olona rehetra no afaka andeha amin’ilay teleferika. Raha tombanana hoe 75.000 Ariary isan’andro no mitaingina azy dia tsy marina izany. Tsy misy olona handany izany isan’andro. Atao hoe manodidina ny 200 isa mahery any izany ny kabinina. Tokony hiodina tsy an-kiato izany io teleferika io. Vao misy fotoana mijanona fotsiny tsinona izany dia efa misy fitohanana teleferika eny ambony eny. Tsy hahavaha olana io satria na atao hoe aman’arivony na aman’alina aza no andeha amin’io isan’andro, tsy hitombina izany. olona aman’aliny izany mankany Itaosy, Sabotsy Namehana, Ivato. Ireny amin’ny ankabeazan’ny olona no mivoaka matetika mampiasa ny lalana eto Antananarivo. Ny «Train urbain» na lamasinina ho ampiasaina ety an-tanàn-dehibe kosa dia tena vahaolana rehefa natao ny fanadihadiana rehetra. Vahaolana iny ho an’Antananarivo mivoaka amin’ny ilany atsimo, izany hoe, iny mivoaka an’Andoharanofotsy, Iavoloha, Mandriamena sy mianatsimo rehetra iny. Tsy mamaha olana amin’ny ampahany atsinanana kosa. Tsy mety miainga moa ilay izy hatramin’izao na dia efa vita aza ny lalamby, hoy hatrany ity tekinisianina sady mpanolontsain’ny tanàna ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.