Fifamoivoizana

Fiara WW sy mitondra laharana vahiny Mitohy ny hetsika ho fampanarahan-dalàna


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Manentana hatrany ireo tompona fiara sy mpampiasa fiara manana laharana WWT na ireo laharana vahiny ny foibe fitsarana fiarakodia fa efa betsaka ireo tonga manatona sy nitondra ny fiarany atao fandraisana ara teknika ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR).

 

 

Maro ihany koa anefa ireo mbola misalasala ka amporisihana hanatona eny amin` ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia any amin’ny Faritra akaiky azy. Ho an’ireo mpivarotra fiara koa dia entanina ihany koa hanao « Réception technique » na fandraisana ara teknika ireo fiara amidiny. Homena rosia mifanaraka amin’izany ianao fa ny fitanana an-tsoratra na PV original kosa dia hotazominay aloha, dika mitovy na « copie » no homena ka rehefa lafo ilay fiara dia manatona ny ivon-toerana Fandraisana ara teknika ny mpivarotra sy ny mpividy mampiseho ny rosia dia ny famindrana na mutation sisa no ataon. Raha any amin` ny Faritra no anaovana izany dia hisy ny fandefasana ny atontan-taratasy any amin’ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia mety amin` ny mpanjifa. Entanina manokana koa ireo fiaram-panjakana voakasika izany hifanatona amin’ny foibe fitsarana fiarakodia. Hanao hetsika ho fampanarahan-dalàna ireo fiara mitondra laharana tsy ara-dalàna WW sy vahiny ny foibe fitsarana fiarakodia manomboka ny 21 septambra 2020 hiarahana amin` ireo mpitandro filaminana ho fampanarahan-dalàna ny rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT