Fifamoivoizana

Fiara WW sy laharana vahiny Manomboka ny fitsirihana sy savahao


  • Talata 22 Septambra 2020

Natomboka omaly 21 septambra 2020 manerana ny Nosy ny hetsika ho fampanarahan-dalàna ireo fiara mitondra laharana WW sy laharana vahiny tsy ara-dalàna.

Maro ny fanentanana efa nampitaina tamin’ireo tompona fiara mba hanatona ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia, hoy ny eo anivon’ny DGSR Sampan-draharaha misahana ny fitandroana ny firindran’ny fifamoivoizana. Tonga ny fotoana anatanterahana ny fitsirihana ka izao efa nahitam-bokatra izao sahady. Fiara maro no hita fa tsy ara-dalàna fa mbola mialokaloka ao anatin’ireo laharana WW sy laharana vahiny ireo, hoy hatrany ny DGSR. Nasaina nanao fandraisana ara-teknika na “reception technique” avy hatrany ireo izay mbola tsy nahavita ny azy, toy izany koa ireo izay tsikaritra fa tsy mbola nahavita ny “visite technique”. Fanamarihan’ny mpampiasa fiara kosa ny tokony hanafainganana ny asa fikarakarana taratasy, izay tena mitarazoka, izay mety hanome vahana ny kolikoly.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT