FIARA VAKY KODIARANA TAO ANALAVORY

Namono zaza 21 volana, nandratra olona miisa 8


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin'ny lalam-pirenena faha-12, 10 km

avaratra mialohan'ny hidirana ny tanànan'Analavory, afak’omaly Alatsinainy 28 Aprily maraina. Fiara Sprinter iray avy any Mananjary ho any Manakara no tra-doza tampoka. Raha araka ny fantatra dia vaky kodiarana havia aoriana ilay fiara ka nitarika ny fivadihany. Zazakely tsy manan-tsiny vao vao 21 volana monja vokatr’izany no namoy ny ainy raha olona miisa 8 hafa kosa no naratra. Vaky nandositra nandritra izany ny mpamily ary mbola tsy hita hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Nilaza ny hitolo-batana any amin'ny mpitandro filaminana izy hoy ireo mpandeha fa matahotra fitsaram-bahoaka. Tsiahivina moa fa antony miteraka ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona ny 80%-n’ny olana ara-teknika mety mahazo ny fiara eny am-pandehanana tahaka izao raha avy amin’ny mpamily kosa ny 20% toy ny hamamoana sy ny fandehanana mafy.
Pati
Legende : Ity ilay fiara nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT