Fifamoivoizana

Fiara tsy mataho-dalana tra-doza Mpirahalahy iray tampoa no indray namoy ny ainy


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza tany an-tampon-tananan’Ampanihy omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora teo ho eo.

Olona mihoatra ny 3 no voalaza fa tao anatin’io fiara io ka anisan’izany ireo roalahy iray tampo namoy ny ainy izay mbola voalaza ihany koa fa zanaky ny tompon’ity fiara ity. Tsy voafaritra mazava moa na nandeha mafy loatra na vokatry ny olana ara-teknika no nahatonga ity fiara ity tra-doza. Potika tanteraka kosa anefa ny lohan’ilay fiara raha niala ihany koa ny kodiarany aoriana izay manaporofo fa mafy ny vaika natrehiny. Manodidina ny 20 taona eo ho eo moa izy roalahy ireto raha misy izay efa noezahina nentina teny amin’ny hopitaly ihany saingy tsy tana ny ainy. Miantso ny mpampiasa lalana rehetra mba ho mailo araka izany ny tompon’andraikitra fa lahy tokana ny aina. Tsy tokony handeha mafy ny mpamily, tsy tokony hisotrosotro ihany koa ary hitandro hatrany ny ain’ireo olona entiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT