Fifamoivoizana

Fiara tsy manaja fepetra Anjaran’ny mpitandro filaminana no mampiatra sazy


  • Zoma 24 Aprily 2020

Nomarihan’ny tale jeneraly misahana ny fitaterana an-tanety, ny jeneraly Jeannot Reribaky, hatrany omaly fa manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora tolakandro ireo fiara fitateram-bahoaka no mahazo miasa.

 

 Fanapahan-kevitra nihatra nanomboka ny alatsinainy teo io. Isan’andro ny taxibe rehetra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, dia tsy maintsy rarahana ranom-panafody. Misy fampahafantarana apetraka eo amin’ny fiara ho an’izay efa nahavita izany. Ny fikambanana Fitia no efa misahana ny fizarana arotava miisa 4 azo sasana ho an’ireo mpitatitra sy ny mpanampy azy. Isaky ny 2 andro koa izy ireo dia mahazo “Gel desinfectant”. Eo am-pidirana no sasana amin’izany ny tanan’ireo mpanjifa. Tsy azo asiana olona ny afovoan’ny fiara. Ireo no fepetra tsy maintsy arahana, hoy hatrany ny tale jeneraly, ka anjaran’ireo mpitandro filaminana amin’ny lalana no mampihatra ny sazy ho an’ireo mandika ireo fepetra tsy maintsy arahana ireo , hoy izy, ary ny 22 aprily dia efa nisy fiara miisa roa nogiazana na naiditra “fourièrre”, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT