Fifamoivoizana

Fiara tra-doza tao Antsirabe Mamo sy avy nila vanona ny tao anatiny…


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Fiara marika 205 GTI iray indray no nifatratra tamin’ny andrin’ireny tamban-

 

 

jotram-pifandraisana ireny ny alin’ny sabotsy  hifoha Alahady teo, efa tokony ho tamin’ny 2 maraina tany ho any teo Ampihaviana-Antsirabe, nanoloana an’ny Njato Hotel. Nipitika tany amin’ny 15 metatra any ilay fiara kely ary nivadibadika ka potika tanteraka. Voalaza fa naratra mafy avokoa ireo olona tao anatiny, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, saingy tsy voafaritra mazava ny isany. Mpitari-posy iray nahita ny loza efa ny maraina no nijoro vavolombelona fa efa tany amin’ny tamin’ny 11 ora alina no nivezivezy eran’Antsirabe ity fiarakely ity ka vehivavy mpivaro-tena no fahitan’izy ireo ny tao anatiny, niisa 4 niaraka tamina lehilahy Rasta iray, izay namily ny fiara. Teo amin’ny toerana iray atao “Stone” izay ireo no efa hitan’ilay mpitari-posy ary nila vaniny tamina fiaran’ny vazaha iray sendra nandalo ka niantsoan’ilay vazaha polisy ary samy nirava nony avy eo, ary dia io hita ny nararaina io ny nahazo azy. Notsindrian’ilay mpitarika posy moa fa olona efa mamo avokoa ireo hitany ireo tamin’izany, raha ny fampitam-baovao. Hatramin’ny omaly alahady tamin’ny 9 ora maraina dia mbola teo foana ilay fiara fa tsy nisy naka aloha hatreto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT