FIARA TAXI-BROUSSE TATA NIVADIKA

Mpandeha maromaro no naratra


  • Zoma 08 Aogositra 2025

Manao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika indrindra amin'izao

vakansy lehibe mahamaro isa ny mpandeha izao. Fiara fitateram-bahoaka TATA iray niazo an'Antananarivo no nivadika tao Ehavo, eo anelanelan’Ambovombe sy Antanimora omaly Alakamisy 07 Aogositra maraina. Raha araka ny vaovao azo dia nitondra mpandeha maromaro niainga avy any Toliara io fiarabe io. Nivoaka ny lalana izy ary nihorirana ka nivadika. Na izany aza tsy nisy ny ainy nafoy. Mpandeha maromaro kosa anefa teo an-daniny no naratra mafy ary efa nentina namonjy hopitaly avokoa. Tsy mbola tena mazava tsara moa ny antony nahatonga ny loza. Ny hany feo mandeha dia mety ho reraka ilay mpamily ka tratry ny torimaso fotsy teny am-pandehanana. Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany na tsia.
Pati
Légende : Niorirana tahaka izao ilay taxi-brousse TATA 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT