Fifamoivoizana

Fiara sprinter avy any Toamasina Nahatrarana toaka gasy 600 litatra


  • Talata 23 Aogositra 2022

Lehilahy miisa telo no tratran’ny Polisy manao sakan-dalana teny Manjakandriana omaly alatsinainy 22 Aogositra tokony ho tamin’ny 02ora sy sasany maraina rehefa nitondra toaka gasy tsy ara-dalana.

Fiara Sprinter avy any Toamasina no nahatrarana ireo toaka gasy ireo izay natao tao anatin’ny « fourgon. Natao tao anaty bidons miisa 30 amin’ny 20 litatra avy izay mitontaly 600 litatra ireo toaka gasy ireo. Nafenin’ireto tompon’entana tao ambany akondro manta ireo bidon ireo, raha tsiahivina. Noentina teny amin’ny kaomisarian’i Manjakandriana izy telo lahy taorian’izany ka anisan’ireny ilay mpamily sy ny tompon’entana. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo moa dia fantatra fa toaka gasy saika entina hiakatra aty an-drenivohitra ireto tratra ireto.
Pati
Legende : Ity ilay fiara tratra nitondra toaka gasy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT