Fifamoivoizana

Fiara nivadika teny Andranomena Vehivavy roa naratra mafy


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andranomena, lalana mihazo an’Ivato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany.

  Fiara kely Renault Laguna nisy mpandeha efatra  no nifatratra avy hatrany tany amin’ny ranon’Ikopa, rehefa tsy nahazaka ny taratry ny jiron’ilay kamiao iray lehibe nifanena taminy. Raha araka ny vaovao azo dia  nandona ity fiara  kely iray ity mihitsy io kamiao Mercedes 1513 io.  Rehefa hitan’ilay mpamilin’ity farany anefa fa lasa tany anaty rano ity fiara kely nifanena taminy ity dia lasa nitsoaka izy.  Samy namaky ny fitaratr’ilay fiara kosa ny mpandeha tao anatin’ilay Renault, ary samy nivoaka nanavotra ny ainy. Nanatona ny hopitaly akaiky azy avy hatrany izy efatra mianadahy taorian’izay, ka fantatra fa izy mirahavavy tao aoriana no tena voa mafy. Eo am-pitadiavana ity kamiao ity moa ny tompon’andraikitra. Tsiahivina fa mbola avo dia avo tokoa ny ranon’Ikopa amin’izao ka  ilana fitandremana fatratra ho an’ireo izay mampiasa iny lalam-pirenena fahefatra iny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT