Fifamoivoizana

Fiara nivadika tao Ambatonapoaka Olona iray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Fiara 4 L iray no nivadika omaly maraina teny Ambatonapoaka, distrikan’ Arivonimamo, lalam-pirenena voalohany. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany teo noho eo raha nalefa any amin’ny hopitaly kosa ireo roa hafa.

Miisa telo mantsy izy ireo no tao anatin’ilay fiara. Vokatr’ilay lavaka lalina teo amin’ny lalana moa no voalaza fa antony niteraka ny loza izay ahiana handrakotra ny arabe manontolo mihitsy raha tsy voaharina haingana. Ho an’ireo vahiny tsy mahay lalana araka izany dia ahiana ho taitra tampoka ny mpamily vantany vao mahita io lavaka io ka mety ho latsaka any an-kady avy hatrany toy ny nahazo ity fiara 4 L kely ity. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra. Saika ahitan-doza tahaka izao hatrany mantsy eo amin’ity toerana ity hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT