Fifamoivoizana

Fiara nifanenjika nandona olona Mpivady maty teo noho eo


  • Zoma 27 Martsa 2020

Mpivady no voadonan’ny fiara teny amoron’Imamba amin’iny làlam-baovao Soavimasoandro iny omaly tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina.

 

 

Fiara nifanenjika no nandona azy mivady, ka lasa lavitra vao tafajanona ilay fiara. Saika hitondra ilay lehilahy tany amin’ny hopitaly ilay mpamily saingy tsy tana intsony ny ainy. Nisy kaomisera nanaraka azy ireo taoriana, ary ireo sy ny sefom-pokontany no nanakana ny olona tsy hanao fitsaram-bahoaka. Nalain’ny BMH ny razana, ary efa nentin’ny mpitandro filaminana kosa ny mpamily. Mponina eny amin’ny manodidina ihany ireto mpivady namoy ny ainy noho ny loza mahatsiravina ireto. Tsy vao izao ny loza nateraky ny fandehanana mafy eny an-toerana raha ny fanazavan’ny mponina fa efa matetika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT