FIARA NENTIN’NY MPAMILY AN-TSOKOSOKO

Nivarina tany an-kady, nisy olona bevohoka tao anatiny


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Fiara tsotra starex iray no fantatra fa nentin'ny mpamiliny an-tsokosoko avy eto Antananarivo

ho any Antsirabe ny 30 Novambra lasa teo. Tsy tratra antso intsony Ingahy mpamily nandritra izany. Nilazan’ny tompon’ny fiara ny polisin'ny BC kfaantatra fa lasa tany Antsirabe ilay fiara. Heno indray taorian’izany fa niainga tamin'ny 1 ora maraina tamin’ny Zoma 01 Desambra lasa teo ilay fiara ary hiverina eto Antananarivo. Nanatona ny Barrage routière teo Tsinjony RN7 PK 31+570 ny tompon'ny fiara noho izany niaraka tamin'ny polisy roa mba hiandry izay handalovany. Loza anefa no nitranga hoy ny vaovao. Tra-doza, 70 metatra mialohan'ny handalovany ilay barazy mantsy ilay fiara rehefa niala lalana tampoka ilay mpamily ka nivarina tany anaty hantsana feno kirihitra. Loza vokatry ny havizanana sy tsy fahampian'ny torimaso no voalaza fa anton’izany. Olona miisa 10 no tao anatiny ka vehivavy bevohoka ny iray. Soa ihany fa tsy nisy naratra mafy sy ny aina nafoy.
Pati
Legende : Ity ilay fiara Starex nentin’ny mpamily an-tsokosoko tra-doza !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT