Nandriaka indray ny ra teny amin'ny By Pass ny alin'ny alarobia 30 aprily tokony ho tamin'ny 10 ora.
Telo mianaka no namoy ny ainy (Veve sy Bakoly ary ny zanany Jaynia)vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny lalana mifanandrify amin'ny Elgeco By Pass. Fiara telo no nifandona mafy nitarika io loza io ka maty tao anatin'izany ireo ray aman-dreniny sy ny zanany vavy. Fiara iray nanao fisongonana na "dépassement" saingy tsy afaka no nidona mafy tamin'ny fiara anakiroa hafa. Ilay fiara voalohany voadona marika Renault Clio nanao "tête à queue" nandona fiara 4x4 iray ary tafahodina mihitsy sy potika tanteraka, ka maty teo noho eo ny olona roa tao anatiny dia ny mpamily sy ny zanany vavy. Nikaperotra tanteraka ilay fiara, nihitsoka noteren'ny motera tao mihitsy ilay rangahy, ary tsy avotra ka tsy tana ihany koa ny ainy. Niezaka nanala ilay ramatoa tao ny olona ka napetrany teny amin'ny sisin'ny arabe saingy tsy tana ihany koa ny ainy fa nodimandry ihany. Ilay fiara faharoa voadona mafy ihany koa fa mba tsy nisy aina nafoy ny tao anatiny saingy potika ny fiara. Ankoatra ireo namoy ny ainy teo noho eo, olona 4 raha kely no nalefa hopitaly satria nisy naratra mafy, nahitana ankizy eo amin’ny 13 taona eo, hoy ireo nanatri-maso. Rehefa nialana nenina, nodimandry ihany koa ny lehilahy iray antsoina hoe : Zaraniana izay tao anatin’ny fiara nisy azy 3 mianaka voalaza etsy ambony.
MPAMILY TERATANY SINOA MAMO, MBOLA NIKASA HANDOSITRA
Ilay fiara tena niantombohan'ny loza kosa nifatratra tany an-tanimbary. Teratany sinoa moa no voalaza fa nitondra io fiara io izay marika hyundai i30. Nandositra ny mpamily saingy voasambotry ny fokonolona sy ny polisy ary efa nalefa eny amin’ny paositry ny polisy, izay voalaza fa mamo, nirimorimo mafy dia mafy, nanery ny haviany ka nanitsy an’ilay fiara clio hifanena taminy. Matetika resahana ny hoe: lahatra ny fahafatesana, saingy ny tratra tahaka izao dia maneho fa ny setrasetra sy ny tsy fitandreman'ny hafa no mitera-doza ho an'ny tsy manan-tsiny. Lesona ho an'ny rehetra ny tahaka itony, mba hitandremana hatrany satria tsy ny tena ihany no tandindonin-doza amin'ny tsy fitandremana na setrasetra fa ny hafa ihany koa. Mbola fanontaniana hafa mety manitikitika ihany koa ny fombafomba sy ny fepetra hahafahan'ny vahiny mahazo fahazoan-dalana mamily eto amintsika raha jerena amin'ity loza ity hoe: tahaka ny ahoana ? Misy fepetra manokana sa mitovy amin'ny Malagasy? Mirary fihononana feno ho an'ny fianakavian'ireo nodimandry.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.