Fifamoivoizana

Fiara nandona andrin-jiro teny Ankorahotra


  • Alarobia 21 Jona 2023

Olona 2 maty teo noho eo, iray hafa maty teny an-dalana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina afak’omaly 19 Jona tokony ho tamin'ny 10 ora sy 25 mn alina teny Ankorahotra. Fiara Toyota minibus nandeha mafy avy any Tsiadana nizotra nihazo an'Ankorahotra no fantatra fa nandona andrin-jiron'ny Jirama iray. Vokany, lehilahy roa 21 sy 28 taona, mpandeha tao anatin'ilay fiara no maty teo noho eo; vehivavy iray 22 taona kosa no namoy ny ainy nandritra ny fitondrana azy ho any amin'ny hopitaly. Ny mpamily sy ireo mpandeha 03 hafa kosa dia naratra mafy ary efa noentina notsaboina eny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha haingana. Mbola tsy nahatsiaro tena moa ilay mpamily tamin'ny fotoana nahatongavany teny amin'ny hopitaly ary mbola tsy nahazoana vaovao hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT