FIARA MPITATITR’OLONA TRA-DOZA

Nivadika tao anaty lavaka, 33 naratra mafy


  • Talata 19 Desambra 2023

Fiara taxi-brousse iray mpitatitr’olona mampitohy an'i Belamoty sy Toliara

no tra-doza tampoka tao amin'ny Fokontany Sakamalio, kaominina Bezaha, Distrikan'i Betioky Atsimo afak’omaly Alahady maraina tokony ho tamin'ny 10 ora. Nivadika ambony ambany tao anaty lavaka manamorona ny reniranon’i Onilahy mihitsy io fiara io vokatry ny fahatapahan’ny transmission-ny raha ny fantatra ka olona miisa 33 no naratra mafy. Efa manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaliben’i Bezaha avokoa moa ireo naratra ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Tsiahivina fa ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana miseho eto amintsika dia vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara avokoa.
Pati

Sary indrana : Santionany tamin’ireo naratra !

SARY IN

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT