Fifamoivoizana

Fiara misisika manampatra fahefana Tena fandikan-dalàna tsotra izao


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Tato ho ato izay dia nanomboka maro be indray ireo fiarakodia manao ankisisika any anaty fitohanan’ny fiara, mampaneno kipantsona sy kiririoka, pirilipo eraky ny tanàna.

 

 

 Amin’ny ora rehetra dia ahitana azy ireo eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Inona no tena maha maika ? Sa ireny ve ireo miolomay manatitra CV fa mba te ho minisitra na tale any anaty ministera. Maro no sosotra sy mimenomenona kanefa manome lalana ihany rehefa manandroka ireo bokon’ozatra misolomaso mainty, sao lahy hamoahany basy eo ka hanahirana. Misy koa anefa ireo mpamily no efa tsy manaiky ity endrika fanararaotam-pahefana, eny mety azo atao aza hoe fisolokiana fahefana mihitsy.Raha ny didy aman-dalàna no raisina dia ireo filohan’ny andrim-panjakanan’ny Repoblika ihany (Filoham-pirenena, Praiminisitra, filohan’ny Antenimierandoholona, filohan’ny Antenimieram-pirenena, filohan’ny HCC) no kortezy ofisialy tsy maintsy omen-dalana ary manana fiara mpisava lalana (cortège prioritaire avec escorte officielle et voiture ouvreuse).Manampy ireo ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana, ny sampana mpamonjy voina sy ny mpitatitra marary dia omena lalana ihany koa. Mazava izay fa tsy hoe rehefa mametraka ilay sainam-pirenena boribory kely (cocarde) eo amin’ny fiara sy mitsioka kiririoka dia tsy maintsy omena lalana. Ahoana moa no hanentanana ny olona hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana raha ny tompon’andraikitra sy manampahefana aza mandika izany ary hitan’ny rehetra amin’ny antoandro be nanahary.Ary ny tena manahirana dia rehefa mitranga ny loza, toy ny hoe nikasoka fiaran’olona, nandona olona; tena efa mateti-pitranga io eto an-drenivohitra ary ilay diso indray no be vava avy eo amin’ilay fehezan-teny hoe : “ Tsy fantatr’ialahy angaha izaho ?” dia tsy maintsy handefitra foana ve izany ny olom-pirenena tsotra, tsy manana fahefana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT