Fifamoivoizana

Fiara mijanona eny amoron-dàlana Nanao fanentanana teny Ambohipo ny polisy


  • Talata 26 Oktobra 2021

Isan'ny singa iray mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivoizana na ihany koa mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fijanonan'ireo fiara eny amoron-dàlana.

Mitohy ny fanentanana ataon'ny Polisy ho an'ireo mpamily mametraka ny fiarany eny amoron-dalana ka mety mahatonga fitohanan'ny fifamoivoizana ary mety hitera-doza ihany koa ho an'ireo mpampiasa lalana. Araka izany, nametrahana taratasy fanentanana ho an'ny mpamily ireo fiara mipetraka amoron-dàlana . Fanentanana miompana amin'ny fampahafantarana ny lalànan'ny fifamoivoizana sy ny antony tsy tokony hijanonan'ny fiara eny amoron-dalana. Tsy misy ny fanasaziana fa fanabeazana no nataon'ny Polisin'ny boriborintany faharoa, araka ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena. Teny amin’ny faritra Ambohipo moa no nanaovana io fanentanana io. Tsy eny ihany fa tokony hatao amina toerana maro ny fanentanana. Rehefa manana fiara dia na manana garazy na mametraka ny fiara any amin’ny “parking” mandoa vola, fa ity isaky ny sisin-dalana ity kosa aloha dia tena fositra ho an’ny fifamoivoizana sy ny filaminan’ny tanàna. Irariana noho izany mba hiitatra manerana ny Renivohitra ny fanentanana, ary arahina fanasaziana raha ilaina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT