Fifamoivoizana

Fiara mibahana lalan’ny mpandeha Ho saziana amin’izay


  • Zoma 17 Novambra 2017

Nampahatsiahy tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly ny tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominin’Antananarivo, Landy Raveloson, fa misy ny fepetra tokony ho efa narahana hatry ny ela mikasika ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra na ho an’ny mpandeha an-tongotra io na ho an’ireo mpivarotra ary ireo mpitatitra.

 Nanome toerana tsy mialonjafy ho an’ny mpisehatra matihanina rehetra taxi ville sy taxi be ary tsy nanilika an’iza na iza ny CUA, hoy ny fanazavany, ary efa nisy naoty enti-mandamina naparitaka erak’ireo toeram-piantsonana. Niangavy ireo fiara tsotra tsy hijanona amin’ireny toerana voatokana ireny moa ity tomponandraikitra ity. Efa maro ireo fitarainana voaray ary nisy ny ezaka natao toy ny fametrahana Plot nanomboka ny taona 2016 sy ny fanomezana ny sisin’arabe ho an’ny mpandeha an-tongotra. Nezahina ihany koa ny nanome toerana voatokana ho an’ny mpivarotra na dia mbola tsy tena lavorary aza, hoy hatrany ny fanazavana. Manentana ireo fiara zatra miantsona amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra aloha, noho izany, ny CUA mba hiala amin’io fomba ratsy fanaony io satria manosika ireo mpampiasa lalana hidina ety amin’ny arabe ka sady manelingelina ny fifamoivoizana no mety hampidi-doza. Entanina toy izany ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana. Hiezaka hanohy ny fametrahana ireo Plot moa ny CUA ary nampitandrina fa ho avy ny sazy ho an’izay mbola minia tsy manara-dalana. Hitohy moa ny fifampidinihan’ny eo anivon’ny CUA sy ireo mpitatitra momban’ny fitsirihana fampanaraham-penitra ho atao etsy amin’ny lapan’ny tanàna ny sabotsy izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT