Fifamoivoizana

Fiara mibahan-dàlana eto Iarivo Mila miala ao anatin’ny 8 andro


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Namoaka fampahatsiahivina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), fa rarana ny fametrahana sy famelana karazana entana, toy ny fiara na fiara maty eny amoron’arabe sy eny amin’ny toerana voarara.

 

 

 

Efa voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha-95-291 tamin’ny 18 aprily 1995 mikasika ny “fourrière” nohatsaraina sy nofenoin’ny didim-pitondrana 96-583 tamin’ny 7 jolay 1997 io. Namoaka fampahafantarana noho izany ny kaominina nanomboka omaly alarobia 20 novambra fa tsy maintsy esorin’ny tompony ao anatin’ny 8 andro nanomboka tamin’io daty io ireo fiara na entana mibahana eny amoron’ny arabe sy ny toerana voarara. Ny Tsy fanajana izany dia manery ny CUA handray fepetra mifanaraka amin’izany, hoy ny fampitam-baovao nosoniavin’ny Tale Jeneralin’ny CUA Atoa Landy Raveloson. Tafiditra ao anatin’ny fandaminana sy fampanajana ny lalàna hisian’ny firindrana eto an-drenivohitra izany, ka tokony hanaja sy hankato ny lalàna ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT