Fifamoivoizana

Fiara mibahan-dalana Bataina avy hatrany


  • Zoma 06 Novambra 2020

Mitombo isa hatrany ireo fiara maty sy simba mijanona eny amin’ny sisin-dalana eto amintsika.

 

Ny eto an-drenivohitra no tena ahitana izany, antony nanaovan’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ny “Direction de transport et mobilité urbaine”, hetsika niaraka tamin’ny Vigie, nanampy ireo kamiao ventouse nanala ny fiara. Teny amin’ny 67 ha ampitan’ny Cenam no nisantaran’izy ireo izany hetsika izay manana tanjona hiady amin’ny fitohanana lavareny ihany koa. Nisy tamin’ireo fiara efa nijanona ela teny an-toerana araka izany no nopetahina ireny vy tsy hahafahany mihetsika ireny ankoatra ireo voatery nobataina. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ho famerenana ny fitsipika mifehy ny tananan’Antananarivo moa izao hetsika izao no sady hisorohana ny mety hisian’ny fanelingelenana ny fifamoivoizana ihany koa. Mbola hitohy amin’ny faritra maro ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT