Fifamoivoizana

Fiara manao “spécial” noho ny paska Tsy maintsy manao fitsirihana manokana


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Namoaka naoty fandaminana iraisana laharana 31MTM/DGTT/DTR-23 ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena omaly 05 aprily.

Noraisina ny fepetra ho an’ny fiara fitateram-bahoaka maniry hitatitra olona ivelan’ny zotra nahazoan alalana ary sahaniny andavanandro amin’izao vaninandron’ny paska izao. Tsy maintsy mandalo fitsirihana teknika manokana na “visite technique spéciale” atao eny amin’ny ivon-toerana fisarana fiarakodia (DGSR) mialohan’ny fangatahana ny taratasy fahazoan-dàlana manokana na “Autorisation spéciale” any anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT manerana ny Nosy izy ireo. Manan-kery nanomboka ny 03 aprily hatramin’ny 14 aprily ity naoty nosoniavin’ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé ity, araka ny fampahafantarana natao. Anton’io ny fanamafisana ny fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana an-tanety mandritra ny fetin’ny Paska. Tanjona ny ho fitandroana mandrakariva ny ain’ny mpandeha ho fandrindràna ary ho fandaminana ny asa fitaterana olona iombonana an-dalam-be mandrindra ny fankalazana ny fetin’ny paska 2023, raha ny voalazan’ity naoty navoaka ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT