Fifamoivoizana

Fiara latsaka tany anaty hantsana 2 maty, maro ny naratra tany Ambohimahasoa


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Nisehoana loza mahatsiravina indray ny lalàm-pirenena faha-7 omaly, tao

 

 

 

Ampanidinana 6 km tsy hidirana an’Ambohimahasoa. Tamin’ny 3 maraina teo noho eo no nisehoan’ny loza, nivadibadika tany amin’ny farany ambany ny fiara taksibrosy iray. Nisy ny tafapitika teny am-pivadihana, ka vitsivitsy sisa tavela tao anatiny. Olona 2 no voalaza fa namoy ny ainy, ary 7 ny naratra mafy. Raha ny fanazavan’ny mpandeha, dia nisy olona bevohoka, narary, nandoha be sy tena nijaly tao anaty fiara. Somary nandeha mafy ilay fiara ahafahana mamonjy hopitaly haingana, saingy izao tra-doza izao, hoy ny fanazavana. Toerana efa matetika hisehoana loza izy io làlana somary miholaka. Isan’ny namoy ny ainy ny raim-pianankaviana iray, izay nifampitadiavana ny mety ho fianankaviany. Efa nahazo fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Tamboho Fianarantsoa kosa ireo maratra mafy. Ilaina ny mitandrina ho an’ny mpampiasa fiara satria matetika hisehoana loza mahatsiravina ny andro fety tahaka izao.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT