Fiara lasa tao anaty rano

Hita ny razana iray, 3 hafa mbola karohina


  • Zoma 08 Septambra 2023

Manomboka hita miandalana ny vatana mangatsiakan’ireo olona natelin’ny ranon' Androngaronga tao Analila,

lalampirenena faharoa telo andro lasa izay. Fiara tsy mataho-dàlana marika Rexton iray raha tsiahivina no nisy nahita lasa tao anaty rano. Tsy nisy hita kosa ireo tao anatiny, raha toa efa nakarin’ny olona kosa ilay fiara. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy ny fombafomba natao nentina nikarohana ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Omby iray no novonoina teny an-toerana, niarahana tamin’ireo zana-drano sy mpahay zavatra. Nipoitra omaly hariva tokony ho tamin'ny 4 ora teo ho eo vokatr’izany ny nofo mangatsiakan' Itompokovavy Suzana raha mbola andrasana kosa ireo telo ambiny dia ilay Egyptiana, vehivavy iray hafa ary ilay ny lehilahy iray mpamily io fiara io. Vao 23 taona monja ny tovovavy raha araka ny fantatra, isan’ireo natelin’ny rano niaraka tamin’ireo namany tao anatin’ilay fiara Rexton nentin’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity Ratompokovavy fony fahavelony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT