Fifamoivoizana

Fiara laharana vahiny sy “WW” 4587 no voasava tao anatin’ny 5 andro


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Notanterahina ny 21-25 septambra 2020 teo ny fanatanterahana ny hetsika fisavana na “operation” an'ireo fiara mitondra ny laharana "WW" sy ireo fiara mitondra laharana vahiny ary ireo fiara efa mitondra laharana gasy.

 

 

 Nahatratra 4587 ny isan’ireo fiara voasava tamin'izany, araka ny tatitry ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière). 1121 no isan’ireo mitondra ny laharana WW, 985 ny isan ireo mitondra laharana vahiny, 2481 ny isan’ireo fiara mitondra laharana Malagasy. 430 tamin' ireo « WW » voasava no tsy nanana ny antotan-taratasy araka ny tokony ho izy. 238 tamin ireo voasava laharana vahiny no tsy nanana ny « réception tehcnique ». 107 tamin ireo 2481 laharana Malagasy voasava no efa lany paikandro na “visite technique expiree”. 542 no nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika hafa. Tao anatin'izay dimy andro nanatanterahana ny hetsika fisavana izany dia nisy fiara niisa 1284 nanatona ny foibe fitsarana fiarakodia, nananteraka ny fanaovana « Réception technique » na fandraisana ara teknika. Niarahana nanatontosa tamin’ny Polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ny hetsika. Naneho fankasitrahana an'ireo mpitandro filaminana tamin’ny fahafaham-po azo nandritra ny hetsika ny Jeneraly Nicolas Tsirivelo, Tale jeneraly ny Foibe fitsarana fiarakodia tamin’ny fanolorana ny taratasy fahafaham-po na « lettre de satisfaction » ho azy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT