Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpamily fiara karetsaka eto amintsika. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana isan’andro mantsy dia mahatsiaro ho sahirana ihany koa izy ireo noho ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.
Tsy vitsy amin’izy ireo araka izany no miantsona amina toerana iray miandry mpanjifa no sady mifidifidy toerana alefa. Raha araka ny fanazavan’ny mpamily fiara karetsaka iray sendra anay mantsy dia tsy voatery ho mpanam-bola be daholo ireny tompona fiara karetsaka ireny fa misy ireo tena sahirana miaina amina fiara karetsaka iray hamelomany ny ankohonany sy hampandehanany ny fiainany. 20.000 Ar isan’andro raha betsaka ny vola azony amin’izany raha tompony izy no mitondra azy hany ka tsy maintsy kajikajiana ny fiara. 12.000 Ar kosa ny vola tsy maintsy henjehina raha mpikarama ilay mitondra azy ary tsy afaka mandeha any amin’ny toerana be fitohanana raha te-hitondra vola mody. Saika tsy mandray karama isam-bolana rahateo ny ankamaroan’izy ireny fa tsy maintsy miaina amin’izay kely azo, ankoatra ny “versement”. Nomarihin’ity mpamily fiara karetsaka ity moa fa na izany aza ny olana sedrain’izy ireo dia tsy afaka mampiakatra saran-dalana izy hahafahana mitazona mpanjifa. 7.000 Ar moa amin’izao no farany ambany amin’ny “course” iray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.