Fifamoivoizana

Fiara fitateram-bahoaka Miverina ho 3 isaky ny laharana ny olona azon’ny minibus entina


  • Alakamisy 08 Aprily 2021

Hentitra ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety Atoa Reribaky Jeannot omaly raha nanambara ny fepetra noraisin’izy ireo mikasika

 

 

ny fiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nambarany tamin’izany fa lasa miverina ho 3 isaky ny laharana ny olona azon’ireo fiara minibus entina raha 4 isaky ny laharana kosa ny an’ny sprinter. Ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina no voakasik’izany raha mbola afaka mandeha ihany koa ny miazo an’i Mahitsy, Manjakandriana aryAnjozorobe. Mikasika ireo olona hamonjy fodiana eto Analamanga mbola taraiky any an-dalana kosa ka voamarina tsara ao anaty Minofold ny fotoana nialany tany amin’ilay toerana dia mbola afaka miditra soa aman-tsara izy ireny raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT hatrany. Ho an’ny kamiao sy ny fiara fourgon mpitondra entana moa dia notsiahiviny fa afaka mandeha tsara izy ireny saingy tsy mihoatra ny olona 3 no ao anatiny dia ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny tompon’entana. Na izany aza hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia tsy mbola nisy ny saran-dalana niakatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT