Mazava ny toromarika nomen` ny fitondram-panjakana manoloana ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra: tsy maintsy manao aro-tava ny mpandeha sy ny mpamily.
Tsy mahazo mitondra mitsangana. Tsy maintsy atao “désinfection” avokoa ireo fiara fitaterana. Tonga ny amin`ny telo ora atoandro dia tsy misy fiara fitateram-bahoaka indrindra ireo mampitohy an` Antananarivo sy ny manodidina. Ny zava-misy anefa dia mbola misy taxi-be no minia tsy manaraka izay lamina. Matetika hahenoina fitarainana ireo zotra avy any Ivato sy Ambohidratrimo. Mivelatra ny seza volamena, mitondra mitsangana… Antony, hoy ireo mpitatitra sasany dia milaza izy ireo fa fatiantoka noho ny tsy fahafahana miasa ara-dalàna. Nanamafy hatrany ny mpitandro filaminana fa 90%n` ireo mpitatitra kosa dia manatanteraka ireo fepetra napetraka fa misy kosa ireo 10% no tsy manaraka ny lamina. Tsara ny mampatsiahy hatrany fa ny « coronavirus » dia mifindra amin`ny zavatra kasikasihana tanana. Any anaty taxi-be mantsy dia tsy voahaja ny iray metatra elanelana ka tokony mihoatra avo roa na telo heny ny fitandremana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.