Fifamoivoizana

Fiara be fikafika Sady nitondra olona no nitondra taolam-balo havadika


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Kamiao iray tsy tokony hitondrana olona mihoatra ny 3 sy entana no nitondra olona 26 omaly tany amin’iny Faritra Vakinankaratra iny ka voatery nandraisana fepetra.

Raha araka ny fantatra mantsy dia zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ireo olona tao anatiny no sady nitondra razana havadika. Nambaran’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Vakinankaratra fa indray mipi-maso monja no mety hisian'ny loza. Ny fiara mitondra mpamadika indray no sanatria hivadika, hoy izy ireo. Tsy natao hitondra olona mantsy ny kamiao benne hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Nasaina nitady fiara mifanaraka amin'ny fitaterana azy moa izy ireo. Rehefa olona no mandeha hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena dia fiara fitateran’olona no mitondra azy fa tsy fitateran’entana. Marihina moa fa zaza amam-behivavy avokoa no tao anatin’ity kamiao mpitatitra entana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay kamiao tratra nitondra olona nefa fitateran’entana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT