Fiara “4x4” nivadibadika

Olona 2 maty teo noho eo


  • Talata 05 Septambra 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny PK 08+350 Antanimenabe Fokontany sy Kaominina

Ampitatafika, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano afak’omaly Alahady alina. Fiara 4x4 Ford Ranger avy namonjy lanonam-pianakaviana tany Antsirabe ka hody eto Antananarivo no tra-doza tamin’izany. Raha araka ny fantatra dia nihodina tany Faratsiho nandalo an’i Soavinandriana sy Ampefy ary Analavory ny lalan’izy ireo. Olona miisa 7 no tao anatiny. Raha araka ny fantatra hatrany, niala ny arabe ilay fiara ka nivadibadika tany an-kavian-dalana. Vokatry ny harerahana sy tsy fahampiana torimaso raha araka ny fanazavan’ny mpanao famotorana no nahatonga ny loza. Mety nandritra ny fety izay nalehan’izy ireo nefa mety noho ny làlana lavitra ihany koa hoy hatrany izy ireo. Vehivavy roa moa no maty teo noho eo raha tsiahivina izay 73 taona sy 38 taona. Iray kosa no naratra mafy ary efa manaraka namonjy etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Olona miisa 4 moa no fantatra fa hita teo noho eo nandritra ny vonjy aina natao ka ny roa mbola tsy mahatsiaro tena.
Nangonin’i Pati
Legende : Simbabe tahaka izao ilay fiara 4x4 ford ranger !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT