FIARA « 4X4 » NIDONA TAMIN’NY ANDRIN-JIRO

Maty tsy tra-drano ilay mpamily


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Nitrangana loza mahatsiravina teo amin’ny tetezan’i Sahalombo, lalana hiditra an’Antsirabe

omaly Alakamisy 10 Oktobra. Fiara tsy mataho-dalana 4x4 iray no nidona tamin'ny andrin-jiro mafy dia mafy. Raha ny loharanom-baovao dia olona 6 no tao anatin'ilay fiara ary ka avy Morondava, Faritra Menabe izy ireo. Voalaza fa dimy tamin'izy ireo no naratra mafy ary efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly raha namoy ny ainy mihitsy ilay mpamily. Vao tamin’io andron’ny omaly Alakamisy io moa ny Ministry ny Fitaterana no nilaza fa omena fiofanana avokoa ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena ato ho ato hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao. Raha araka ny fanazavany hatrany mantsy dia avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa toy ny fandehanana mafy sy ny fisotroana toaka no antony mahatonga ny 90%-n’ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika tahaka izao.
Pati
Legende : Nahazo izao ny nahazo ilay fiara nidona tamin’ny andrin-jiro tany Antsirabe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT