Fifamoivoizana

Fiara 4x4 nidofotra tamin’ny rindrin-tany


  • Alarobia 31 Mey 2023

Zazalahy kely 2 taona namoy ny ainy, telo hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalana hiakatra Sabotsy Namehana omaly. Fiara 4x4 iray marika Toyota hiakatra tao amin’ity tanana ity no nandeha mafy dia mafy rehefa mahazo ny lala-mahitsy ka nidofotra tamin’ny rindrin-tany. Vokany. zazalahikely iray vao roa taona monja no namoy ny ainy vokatry ny donamafy nahazo azy. Teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly ity farany no tsy avotra intsony na dia efa niezaka namonjy azy aza ireo nanatri-maso. Olona telo hafa ihany koa no naratra mafy ka anisan’izany ilay mpamily.
NISOTRO
Raha araka ny fantatra dia vokatry ny fandraisan’ilay mpamily zava-pisotro misy alikaola sy ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza. Aorian’ny fitsaboana azy telo ireo moa dia hiroso amin'ny fanadihadiana lalina ny zandarimariam-pirenena ary tsy maintsy hisy ny fepetra hentitra horaisina. Manentana ny rehetra mba handà tsy hampitondra fiara na ho entin'ny mpamily efa hita fa mamo araka izany ny mpitandro ny filaminana.Matetika mantsy hoy izy ireo dia ny mpandeha tsy manan-tsiny hatrany no hiharan-doza fa ny mpamily tsy maintsy tafavoaka velona hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT