FIARA 3 NIFANDONA TETSY MANJAKA ILAFY

Tonga hatrany Ambohitrarahaba ny fitohanana


  • Zoma 29 Novambra 2024

Tara avokoa ny ankamaroan’ireo mpiasa sy mpianatra nivoaka sy niditra ny tananan’Ankadikely

omaly Alakamisy 28 Novambra maraina. Fiarabe iray feno fasika mantsy no tapaka tsindry hisatra tokony ho tamin’ny 05 ora maraina raha iny avy any Ankadikely nidina teo Manjaka eo akaikin’ny Somacou iny. Nandona taxibe iray avy ao amin’ny zotra-pitaterana H izy vokatr’izany rehefa nifanena ny roa tonta. Nihemotra ity farany noho ny hamafin’ny donan’ilay kamiao nahazo azy ka nihemotra tamin’ilay taxibe ao amin’ny zotra H namany ihany. Potika vokatr’izany ireo taxibe miisa 2 ireo raha tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Niteraka fitohanana goavana teny amin’iny faritra iny izany tranga izany omaly. Tonga hatrany Ambohitrarahaba ny filaharan’ny fiara ka voatery nandeha dia an-tongotra avokoa ireo mpiasa sy mpianatra . Efa tamin’ny 08 ora latsaka tany ho any moa omaly vao mba nalalaka ny lalana niazo an’Ankadikely hoy ny fitarainana azo.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fitohanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT