Fifamoivoizana

Fiara 2 nifandona 6 maty tsy tra-drano


  • Zoma 07 Septambra 2018

Enina no namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nitranga tany Sakaraha amin’ny lalam-pirenena fahafito ny takarivan’ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 6 ora sasany.

 

 

Fiara marika « 504 baché » sy « camion citerne » mpatsaka rano ho an’ny orinasa iray mpitrandraka solitany any an-toerana no nifandona teo akaikin’ny Parc National Zombitse, 16 km miala amin’i Sakaraha. Samy nidina izy ireo no nifanehitra tamina toerana iray, ka nifampikasoka ny « aile ». Tafavoaka ny arabe mihitsy sady potika tanteraka ilay fiara 504, izay olona 9 no tao anatiny, mpianakavy avokoa ary tao anatin’io no nisy ireo 6 maty. Ny 4 tamin’ireo namoy ny ainy no maty teo no ho eo. Korotam-by sisa nikipakipaka teo satria rava tanteraka ny lohan’ilay “504 baché” faritra misy ny maotera iny. Nentina any Ejeda omaly hariva ny razana, raha ny fampitam-baovao. Ho an’ilay fiara lehibe moa dia nivadika sy nikaperotra ihany koa. Tombanana avy hatrany ho vokatry ny fandehanana mafy no niteraka ny loza raha atao jery maika amin’ny fahapotehana, ary vokatr’izay hamafiny izay no nahatonga ny famoizana ain’olona miisa 6 be izao. Ilaina ny mitandrina hatrany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT