FIARA 03 NIFANDONA TAO ANALAVORY

Tapaka tsy fidiny ny lalam-pirenena voalohany omaly


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Tapaka ny lalam-pirenena voalohany mampitohy an’Antananarivo sy Tsiroanomandidy omaly

Talata 18 Febroary. Vokatr’ireo fiara miisa telo nahitana kamiao roa sy Sprinter nifandona no antony nahatonga izany. Raha araka ny fantatra dia samy nisisika ny handeha mialoha ireo mpamily. Tery anefa ny arabe, ny fiara rahateo lehibe sy kely ka voabahana tanteraka ny lalana. Tsy lazaina intsony ny fahapotehan’ny sisin’ny arabe nateraky ny vesatr’ireo fiara miisa telo ireo, tranga niseho teo Ambatondramijaly, andrefan'Analavory. Voatery notaomina ny entana sy ny olona niampita niankandrefana ka fiara hafa indray no nandray sy nitondra azy ireo. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia fantatra fa efa nivaha mian-dalana ny olana ka nisy ny fiara efa afaka nandeha. Tonga nanampy ireo mpamily sy ny mponina rahateo ny mpitandro ny filaminana. Niteraka fitohanana goavana tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny moa ity lozam-pifamoivoizana niseho tao Analavory ity.
Pati
Legende : Tahaka izao no fisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT