Tena tsy hifanaraka intsony ireo taxibe mivondrona ao amin’ny zotra F miazo an’Ambatofotsy sy ireo mponina eny Ampatsakana.
Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy eken’ireo mponina intsony mihitsy ny hiverenan’izy ireo eo amin’ny tobim-piantsonana nisy azy hatramin’izay noho ny antony maro samihafa. Lohalaharana amin’ireny ny fitabatabana hataon’ny mpamily sy ny mpanampy azy izay tsy misy hiainan’ny mponina mihitsy, ny tsy fandriampahalemana, ny fahateren’ny lalana, ary ny loto sy ny fofona ateraky ny fivalanan-drano etsy sy eroa. Raha araka ny fantatra moa dia efa ho 30 taona izao no nanao fangatahana ny mba hialan’ireto zotra F ireto eny Ampatsakana ireo mponina eny an-toerana. Ankoatra ny eny Ampatsakana dia mahatsiaro ho sahirana amin’ireto zotra F ireto ihany koa ireo mpampiasa lalana etsy amin’ny CNaPS noho ny fitobian’izy ireo eny amin’iny lalana iny izay miteraka fitohanana goavana ihany koa. Anisan’ny mpanararaotra amin’ny fampiakarana saran-dalana koa moa izy ireo raha tsiahivina. 1000 Ar no alainy amin’ny mpandeha iray raha miala eny Ankadimbahoaka mihazo ny By pass.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.