Fifamoivoizana

Fiantsonan’ny fiarakodia Efa manomboka manara-dalàna ny Malagasy


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Nanambara ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fampiasana fiantsonan’ny fiarakodia Easy Park, Tiana Rasamimanantsoa fa nihena be ny fiara voasazy ny taona 2018 oharina ny taona 2017.

 

 

 Araka izany dia mirona any amin’ny fanarahan-dalàna ny olona ny amin’ny fampiasana ny parking noho ny ezaka fampahafantarana sy fampianarana natao. Nanamafy izany ny fiaraha-miasa tamin’ny polisy nasionaly sy monisipaly izay niezaka nanalalaka ny fifamoivozana sy nampihatra ny lalàna tamin’ireo fiara tratra eny amin’ny toerana tsy tokony hiantsonana. Nanamarika ihany koa ny teo anivon’ny Easy Park fa na dia teo aza ny firosoana any amin’ny fanarahan-dalàna dia hohamafisina amin’ity taona ity hatrany ny fampahafantarana ny fitsipika mifehy ny fiantsonana. Hatreto aloha dia notazonina 250 Ariary isaky ny antsasak’adiny ihany ny saran’ny fiantsonana ary mbola mipetraka hatrany ireo karazana sazy ao amin’ny didim-pitondrana laharana 048 momba ny fampiasana ny parking. Nanao antso avo amin’ny fanjakana ihany koa ny Easy Park ny amin’ny tokony hanitarana tanteraka ny fiantsonan’ny fiarakodia hisorohana ny fitohanana satria sarotra hatrany ny fandaminana izany indrindra rehefa fotoanan’ny tsena sy ny andro fety.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT