Fifamoivoizana

Fiantsonan’ny fiara eny Tsiazotafo Fanina tanteraka ireo mponina


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Fanina ny amin’ny zava-misy iainany ankehitriny momba ny fiantsonana (parking) hametrahana fiara ireo mponina ao Tsiazotafo, Boriborintany fahatelo.

 Raha ny fanazavan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly dia tsy avelan’ny kaominina hametrahana fiara intsony ny arabe mihazo an’i Tsiazotafo izay namoahany naoty mihitsy. Mbola maka vola tsy tapaka kosa ny Easy Park sady manome alalana  hahafahana mampiasa izany. Tsy hitan’ny mponina intsony ny tena arahina  arahin’ny fidangan’ny hofan’ny tobim-piantsonana izay efa tafakatra 2 tapitrisa Ar ny an’ny fiara iray mandritra ny 12 volana. Nahavita fiara roa anefa tamin’ny taon-dasa. Rehefa nanontaniana ny mikasika io tranga io ny teo anivon’ny Boriborintany fahatelo dia nambaran’Andriamamonjisoa Rado,  lehiben’ny Boriborintany fahatelo fa tsy azo hametrahana fiara intsony tokoa ny ilany an-kavia eny Tsiazotafo manomboka eo amin’ny Gauloise taloha ka hatreny amin’ny immeuble nationale Center raha hihazo an’Antaninandro.  Eny amin’ny arabe an-kavanana sisa no azo hijanonana na ireo fiara lehibe mpitatitra entana aza. Nohamafisin’ity lehiben’ny Boriborintany fahatelo ity ihany koa fa tsy azon’ny Easy Park hatao intsony raha ho azy ireo ny mamariparitra ny toerana hosahaniny satria tokony hitondra fanazavana misimisy kokoa amin’ny vahoaka aloha izy ireo hisorohana ny olana mety hitranga tahaka izao. Nomarihiny fa nahazo alalana hanitatra  ny Easy Park, ankehitriny fanomezan-dalana avy any an-dapa fa tsy avy any amin’izy ireo akory.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT