Fifamoivoizana

Fiangonana manamboara vatsy Hankalaza ny fahafolo taona niorenany


  • Alarobia 19 Septambra 2018

Feno folo taona sahady ny fiangonana “Manamboara Vatsy”. Fotoan-dehibe no entin’izy ireo hanamarihana ny hetsika ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 septambra ho avy izao eny amin’ny kianja

 

 mitafon’Ankorondrano. Mandritra ny hetsika no hanatanterahana ny fihaonamben’ireo mpino ao anatin’ny fiangonana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy fanosorana « Révérend », Mpitandrina sy Loholona ary fanokanana Mpiandry, Diakona, Misionera. Raha tsiahivina ny tantaran’ny fiangonana dia ny 5 aogositra 2008 no nananganana  azy  tao sabotsy Namehana.  Ny evanjelistra Maminirina Rolland Guy mivady niampy  mpikambana miisa 33 no angady nananana izany. Taorian’izay dia tafatsangana ihany koa ny fiangonana tao Ambahona, Kaominina Vilihazo. Nisy ny fananganana sekoly fampiofanana ho mpitandrina sy misionera hahafahana manitatra be be kokoa ny fiangonana. Nanatontosa fandaharana tany anaty onjam-peo tsy miankina ihany koa izy ireo ka  dia efa madiva hanenika ny Nosy ny fiangonana Manamboara Vatsy amin’izao. Antony nisafidianana ny anarana « Manamboara Vatsy » ny fahafantarana fa rehefa hiomana handeha lavitra ny olona iray dia mamehy vatsy, araka ny  tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22 : 21.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT