FIANDOHAN’NY VOLANA DESAMBRA

Manomboka sahady ny fitohanana etsy sy eroa


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Manomboka sahady ny fitohanana etsy sy eroa amin’izao fiandohan’ny volana Desambra izao.

Ny eto an-drenivohitra no tena mampitaraina ny maro toy ny eny Andraharo mivoaka an’Analakely, ny eny Antanimena miazo an’Ankorondrano, ny eo amin’ny 67 ha mivoaka an’ny Vassacos…Mahatratra ora iray ny fotoana lany amin’ny lalana natao 15 minitra teo aloha hany ka midina mandeha an-tongotra ireo mpandeha tena maika. Raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray dia santatry ny fitohanana mandritra ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona sahady izao hiainana izao. Manomboka amin’io herinandro io mantsy dia vao mainka hangotraka izany mandrapahavitan’ny fankalazana ny fetin’ny Noely amin’ny datin’ny 25 Desambra ho avy izao. Tsy misy afa-tsy ny fifohazana maraina arahin’ny fandehanana dia an-tongotra araka izany no vahaolana ho an’ireo maika hamonjy asa na fianarana.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny fitohanana eto an-drenivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT