Fifamoivoizana

Fianakavian’ny maty voahitsaky ny kamiao


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Miantso ilay saofera hanatona moramora

Nampita hafatra ry zareo fianakavian'ny maty voahitsaky ny kamiao teny Tsivatrinikamo, kaominin’Antsirabe, izay manoloana ny CECAM, fa izy ireo dia miangavy ny fahatsoram-pon’ilay saofera nandona ny havany mba hanatona ny mpitandro ny filaminana na hanatona ny fianakaviana. Marihanay etoana, hoy izy ireo, fa efa azon’izy ireo ny mombamomba ny kamiao nanitsahan’ity mpamily ity ny havan’izy ireo ka mba tsy hahasarotra ny raharaha dia mila manatona ilay mpamily. Santionany amin'ny mombamomba ny kamiaonao, hoy ny hafatra ; mpitatitra mampitohy an' Antsirabe, Belazao, Bemaha ka ny fiantombohan'ny laharan'ny fiaranao dia 95....... Averinay fianakaviana fa tsy ho sarotiny izahay raha mipoitra ianao. Ity ny laharana hifandraisanao aminay andriamatoa saofera dia ny 0349193037, hoy hatrany ny hafatra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT