FIALAN-TSASATRY NY NOELY

Miakatra moramora ny saran-dalana mivoaka ny faritra


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Efa mianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika ankehitriny.

Ankoatra ny fividianana ireo karazana kojakoja maro samihafa ilaina hiatrehana izany dia tsy vitsy ihany koa ireo mikasa ny hiala sasatra any amin’ny faritra hahafahana maka bahana kely handraisana ny taona vaovao indray. Eo ihany koa anefa ireo hiara-paly amin’ny fianakaviana haka rivotra kely any ambanivohitra, fomba amam-panao tena tian’ny fianakaviana Malagasy rehefa fety tahaka izao. Tsy maintsy misy hatrany ny mpanararaotra manoloana izany. Raha araka ny fanadihadiana natao mantsy dia manomboka miakatra moramora ny saran-dalana mivoaka ny faritra. Anisan’ny efa nahitana taratra izany ny miazo an’Antsirabe. Efa tafakatra 14.000 Ar ny saran-dalana ho an’ny olona iray raha 12.000 Ar teo aloha. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan’ny toerana be mpandeha rehefa fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona tahaka izao ny miazo an’Antsirabe. Ireo olona miasa eto an-drenivohitra handeha hamonjy fianakaviana hanao fety any ambanivohitra ny ankamaroan’izy ireo ka mila tsy haharaka ny fiara fitateram-bahoaka. Efa mitombo isa ihany koa ireo taxi-brousse mivoaka any amin’ny faritra toy ny miazo an’i Toamasina sy Mahajanga amin’izao, raha araka ny fantatra. Efa maro tamin’ireo mpianatra mantsy no nahavita ny fanadinana roa volana faharoa tamin’iny herinandro efa nivalona iny. Efa misy mampiakatra saran-dalana toy ny tamin’ny vakansy lehibe ny ankamaroan’izy ireny noho izany saingy tsy mbola izy rehetra. Ireo miazo an’i Mahajanga moa no mbola tena betsaka hatreto na dia tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hafanana tanteraka aza ny any an-toerana amin’izao.
Pati
Legende : Mihamaro ireo olona tonga maka taxi-brousse hivoaka any amin’ny faritra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT