Fifamoivoizana

Fiakaran’ny vidin-tsolika Hivory maika ireo mpitatitra amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Tampoka be tamin’ny rehetra ny fiakaran’ny vidin-tsolika 50 Ar isaky ny litatra ny herinandro teo raha vao roa volana lasa izay no niakatra 70 Ar isaky ny litatra.

Hivory maika avokoa ireo mpitatitra isan-tsokajiny manomboka amin’ity herinandro ity, raha araka ny fanadihadiana natao. Ho an’ny fivondronan’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na ny UCTU raha araka ny fanadihadiana natao dia rahampitso talata izy ireo no hikaon-doha etsy Ambodivona ary handray fanapahan-kevitra. Tsy hita loatra mantsy ny fiantraikan’ny fiakaran’ny vidin-tsolika raha tsy manomboka anio alatsinainy fotoana mahabetsaka ireo fiara miasa sy mahamaina ny karama. Ho an’ireo mpitatitra mihazo ny faritra ihany koa  dia tsy maintsy hikaon-doha ny rehetra ka zavatra telo loha no tsy maintsy handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra toy ny fampiakarana saran-dalana na hangataka amin’ny fanjakana na koa hitondra fanazavana misimisy kokoa amin’ny zavatra iainany. Ho an’ny taksibe manokana dia vao ny fanampiana tamin’ny volana jona sy jolay taona 2017 no azony izay mitentina 3 hetsy Ar isaky ny fiara isam-bolana. Azo hiafiana ihany ilay fanampiana, hoy ireo mpitatitra saingy tara loatra ny fandoavan’ny fanjakana azy. Eo an-danin’izay anefa dia niakatra hatrany amin’ny40 % avokoa ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara ka tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra horaisina ihany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT